Mampitaraina ny ankamaroan’ny tompona fiara ny fikarakarana sy fahazoana tombontsoa amin’ny trano fiantohana rehefa misy ny loza mitranga. Miankina amin’ny zava-misy kosa ny fanefan’ny trano fiantohana ny vola mifandraika amin’ izany.
Anisan’ny mampimenomenona ny tompona fiara sy mpamily maro ny fahelana sy fivoahan’ny vola any amin’ny trano fiantohana rehefa misy ny loza mitranga. “Manaraka hatramin’ny vola any am-paosy mihitsy aza vao mivoaka ny vola fiantohana”, hoy ireo olona nanaovana fanadihadiana. Raha sendra misy ny loza mahazo eny am-pitondrana fiara, lany andro mivezivezy amin’ny fikarakarana antontan-taratasy ny tompona fiara iray. “Indraindray ary tsy mahazo valiny akory fa very maina any ny fangatahana natao ary tsy misy vola mivoaka”, hoy Randrianomena Andry, tompona fiara sady mpamily avy eto Antananarivo. Amin’ny ankapobeny, mandoa tsy tapaka ny saram-piantohana eny anivon’ny trano fiantohana ny tompona fiara na mpamily iray. Alain’ny polisy avy hatrany ny taratasin’ny fiara raha sanatria ka tsy voaloa ara-dalàna izany. Nilaza ny mpamily nanontaniana fa tsy arakaraka ny fandoavana tsy tapaka ny saram-piantohana ny valiny azo eny anivon’ny trano fiantohana rehefa misy loza. Betsaka ny olona milaza fa tsy mandoa vola ary tsy miantoka ny fiara ireo trano fiantohana rehefa misy loza mitranga. “Tsy mbola mahalala tsara ny tena fiantohana ny ankamaroan’ny olona ka antony mahatonga azy ireo miteny izany”, hoy Rakotoarimanana Ravaka, tomponandraikitra iray eo anivon’ny trano fiantohana Aro. Miankina amin’ny toe-javamisy sy ny tranga ny ahafahan’ny trano fiantohana manefa ny vola vokatry ny loza niseho, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny trano fiantohana iray nanaovana fanadihadiana.
“Assurance responsabilité civile” ny ataon’ny olona
Amin’ny ankapobeny, ny “Assurance responsabilité civile” no alohan’ny ankamaroan’ny tompona fiara eny amin’ny trano fiantohana. “Tsy maintsy ataon’ny olona manana fiara sy kodiarandroa io ary io ilay savain’ny mpitandro ny filaminana eny an-dalana”, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity. Nohazavainy fa iantohana amin’izany ny andraikitr’ilay olona nandritra ny fisehoan’ny loza. “Ny olona simba fananana na naratra noho ny andraikitr’ilay olona nanao ny loza no iantohan’ny trano fiantohana fa tsy izy”, hoy hatrany izy. Raha tiana iantohana tanteraka ny fiara iray, mila manampy “garantie supplémentaire” any amin’ny trano fiantohana ny tompona fiara. Iantohan’ny trano fiantohana tanteraka ny fiara simba raha nanao io “garantie” io izy, raha ny fanazavany hatrany. “Izany rehetra izany ny antony mahatonga ny olona miteny fa mangalatra sy tsy miantoka akory ny trano fiantohana”, hoy hatrany izy. Azon’ny trano fiantohana atao tsara ny miantoka ny fiara raha sanatria ka nirehitra, na nisy nangalatra, na nanao lozam-pifamoivoizana… Raha toa ka nanao ny garantie mifanaraka amin’izay ny olona iray. “Raha sanatria ka misy ny loza miseho, mamerina ny vola natao araka ny fifanarahana ny trano fiantohana”, hoy ny fanazavana. Arakaraka ny fitrangan-javatra miseho no maha ela na maha haingana ny valin’ny fangatahana sy fivoahan’ny vola ho an’ny fiara iray.
Be mpanao ny antoka fisotroan-dronono
Ankoatra ny fiantohana ny fiara, anisan’ny be mpanao ny fiantohana ho an’ny fisotroan-dronono. Tanjona ny hananan’ny olona tsirairay avy antoka sy zavatra raisina rehefa tonga ny fotoana tsy hiasany intsony sy hisotroany ronono. Manodidina ny 50 000 isaky ny antokon-draharaha ny olona manao io fiantohana iray io, raha ny tatitra voaray teo anivon’ity trano fiantohana ity. Tsy voatery ho olona manana asa tsara sy miasa amin’ny orinasa fa afaka misitraka izany avokoa ny olon-drehetra. Afaka manao izany avokoa ny olona 18 hatramin’ny 60 taona na inona na inona fidiram-bola. Taratasy ilaina amin’izany ny karapanondro. Tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ny fiantohana ho an’ny mpianatra, hoy hatrany Rakotoarimanana Ravaka, tomponandraikitra iray eo anivon’ny trano fiantohana Aro.
Raha misy ny loza, mandalo dingana maro ny trano fiantohana amin’ny fikirakirana ny taratasy rehetra. Tsy maintsy mampandre ny trano fiantohana ny tompona fiara raha vao mitranga ny loza. Dingana atao voalohany ny fijerena raha mbola ao anatin’ny fifanarahana ilay olona na tsia. Faharoa, ao anatin’ny « garantie » nataony ve ilay loza mitranga sa tsia.
Mbola mifampiraharaha amin’ny karazana trano fiantohana vao afaka mikarakaraka ny taratasy rehetra. Rehefa vita izay vao afaka mandoa ny vola ho an’ilay fiara ny trano fiantohana. Voakasik’izany, ireo fiara tsy nisy « garantie ».
Nanatontosa