Niofana handrafitra tetibola ireo vehivavy ben’ny Tanàna 94

Manao adisisika amin’ny hampiakarana ny sorabola ho an’ny fahasalamana ny firaisamonina sivily, tafiditra ao anatiny ny sorabola natokana hividianana vaksiny izay mbola miankina betsaka amin’ny mpiray ombon’antoka vahiny.

Nikarakara atrikasa nandritra ny roa andro, teny Am­batomirahavavy, ho an’ny vehivavy voafidy ho ben’ ny Tanàna 94 manerana ny Nosy ny Vovonan’ny firaisamonina sivily CCOC sy Hina ary ny NosyW. Roa ny tanjon’ny he­tsika, voalohany ny fizarana fahalalana momba ny fanaovam-baksiny izay laharam-pahamehana amin’ny fahasalamana fototra. Manomboka amin’ny fanomanana rehetra sy ny fanatanterahana azy ary ny fanaraha-maso, indrindra ny toerana ahitana ray aman-dreny tsy manaiky hampanao vaksiny ny zanany. Miaina eny anivon’ny fiarahamonina ny ben’ny Tanàna ary mahalala ny olona eo ambany fifehezany sy ny olana miseho ao. Tan­jona faharoa ny fifehezana fandrafetana tetibola miainga eny amin’ny kaominina araka ny filany ka anisany ny fandaharanasa 3P momba ny fahasalamana misy ny fanaovam-baksiny. Tokony hametraka tetibola ho an’ny fanaovam-baksiny ny kaominina avy amin’ny hetra sami­hafa miditra. Aorian’ny fifampizarana teto Antananarivo, hidinika amin’ ny mpanolotsaina kaominaly sy ny mpiray ombon’antoka eny ifotony ny ben’ny Tanàna hijerena paikady ha­na­tsarana ny fanaovam-baksiny sy hanokanana vola ho amin’ izany.
8% amin’ny tetibolam-panjakana no natokana ho an’ny fahasalamama raha tokony ho 15% izany, araka ny fifanarahana neken’ireo firenena nanao sonia, ny taona 2014, tany Abuja. 1,61% amin’io sorabola ho an’ny fahasalamana io no natokana ho an’ny vaksiny eto amintsika. Mbola ny Gavi no misahana ny 80% amin’ny vola hividianana vaksiny raha 20% no anjaran’ny fanjakana malagasy. Ho an’ny taona 2024, manana sorabola 131, 7 miliara Ar ny fandaharanasa fanaovam-baksiny, maha­tratra 11,58% amin’ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. 98,3% amin’ny sorabola avy amin’ny mpiray ombon’ antoka avokoa fa ny 1,7% ihany no volan’ny fanjakana malagasy madiodio.

Vonjy

Partager sur: