Samy manana ny fisainany sy ny fandraisan-javatra ilay Malagasy. Indrisy fa mirona any amin’ny fomba fijery miiba hatrany amin’izay atao ny maro anisa. Raha mandinika ny zava-misy dia tena mahavalalanina hoe, angaha dia tsy misy afa-tsy ny zava-dratsy ary eto amin’ity firenena ity? Tena efa mahavariana sy mahalasa saina.
Sarotra anefa ny ifampitsaratsara sy hijery harina an-tava fa tsy maintsy manontsana izay tsy manjary. Tsy mety ny mifampitarika any amin’ny hantsana. Mila tari-dalana sy fifanoroana ny fiainana. Tsy ampy ny fifanankianana be fahatany. Tena midonàka ny saina, mandinika hoe, maninona no misy faly amin’ny manjo ny sasany? Maninona no misy sorena amin’ny fahasoavan’ny hafa?
Takaitra sy tarazo avelan’ny fahasahiranana avokoa izany. Potika ilay fiarahamonina satria ratsy miantso ny ratsy, ny fahalovana miantso ny fahalovana. Zaran’ny sasany misy ny tsindrio fa lavo. Betsaka no miketrika tombontsoa amin’ny faharesen’ny mpiray tanindrazana. Hany ka raha misy ny miezaka sy mitondra ny anjara birikiny ho an’ny mpiray tanàna dia homen-tsiny.
Mila tolo-tanana ireo marefo. Misy ny vahaolana hamehana tsy maintsy atao. Tsy voatery hoe zatra « toloram-potsiny ». Ezaka goavana ny fitadiavana izany fifampitsimbinana amin’ ny samy Malagasy izany. Ny erikerika rahateo no mahatondra-drano. Fihetsika maha te hidera sy tsy azo tsinontsinoavina ny fisian’ny tetikasa na fandaharanasa mijery manokana sokajin’olona na hoe olom-bitsy aza.
Tsy misy mahavita tena irery, fa sambatra izay mifanampy. « Ny ohatra dia miainga avy any ambony », hoy ny oha-pitenenana. Rariny sy hitsiny raha mitady ny fomba rehetra hoenti-manavotra sy manampy ny mpiray tanindrazana ny fitondrana. Efa manomboka ny fanatanterahana ny toky nifanomezana amin’ny fijerena ny sosialim-bahoaka!
r.r