Praiministra Ntsay Christian: “Maika ny fampiakarana ny fahefa-mividin’ny vahoaka”

Namelabelatra ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) teny Tsimbazaza, omaly, ny praimini­sitra Ntsay Christian. Nambarany tamin’izany ny laharam-pahamehana.

Anisan’ny ampahany amin’ ny fanoloran’ny lehiben’ ny governemanta ny PGE ny famoronana asa. “Eo koa ny fampiakarana ny harin-karena faobe. Ny fampihenana ny fahantrana sy ny fanatsarana ny fahefa-mividin’ny mponina ary ny fanatsarana ny fitantanana”, hoy izy. Nambarany fa tafiditra amin’ny ady amin’ny fahantrana ka hojerena manokana ny fanabeazana sy ny fahasalamana, ny fanofanana arakasa. Eo koa ny fiahiana ireo sahirana ka anisan’izany ireo vehivavy sy ny zokiolona ary ny sembana. Hotohizana ny vatsin’ankohonana, ny asa avotra mirindra ary efa an-dalana koa ny tetikasa “Tsim­bina”. Hisitraka izany ireo tokan­trano maherin’ny efatra tapi­trisa, araka ny nambarany…
Efa ao anatin’ny fivarotana masomboly sy zezika amin’ny vidiny mora amin’ireo tantsaha koa ny fanjakana ka maherin’ ny iray hetsy ireo nahazo izany.

Fanarenana ny Jirama

Hotohizana koa ny fiaraha-miasa amin’ny SPM amin’ny fanamarinan-toeran’ny vidin’ entana, hisorohana ny fanararaotana sy ny fampiakarana ny vidin’ny PPN, araka ny nam­barany.
Momba ny famokarana herinaratra sy ny angovo ary ny rano. Eo ny any Sahofika sy i Volobe II hanamafy ny tambajotra iraisana amin’Antana­narivo izany. “Mbola miandry fotoana ireo ka hotohizana hatrany ny ezaka fanarenana ny Jirama. Miisa 47 ireo famokarana angovo avy amin’ny masoandro hovitaina amin’ ireo distrika maromaro. Ny fizarana ny hazavana ho an’ny rehetra, hatreny anivon’ny fokontany”, hoy izy.
Ankoatra izany, hotohizana ny hetsika fananganana ny Birao ifoton’ny fananantany (Bif) eny anivon’ny kaominina rehetra. Hojerena ny momba ny boky rovitra eo anivon’ny fananan-tany. Hovahana amin’ ny alalan’ireo tetikasa sami­hafa ireo ny olan’ny fananan-tany, araka ny nambarany hatrany.

Synèse R.

Partager sur: