Sombim-baovao

Nanadio ny Kianja Barikadimy ao Toamasina avokoa ireo klioba sy olon-tsotra ao an-toerana, omaly. Ity fotodrafitrasa ity izay efa nahitana fahasimbana amin’ny toerana sasany. Nitarika ny hetsika ny ligim-paritra Atsinanana izay nanentana mba hikajiana io kianja io, izay hany mampiavaka ny faritra.

Nifarana omaly, ny fisoratana anarana amin’ny Mobil Rally of Boeny. Dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny familiana fiarakodia. Mpikarakara izany ny klioba Gojang. Any Mahajanga no hanatontosana izany ny 15 ka hatramin’ny 17 aogositra ho avy izao.

Hotanterahina rahampitso, etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja handball, sokajy zandriny, lahy sy vavy. Miisa 6 ny sokajy hiatrika izany dia ny Minime, ny Cadet ary ny Junior, lahy sy vavy.

Mitana ny laharana fahatelo ny ekipa malagasy taorian’ny dingana voalohany amin’ny “Masters 2024”, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana tanterahina any France. Manana isa 8 i Madagasikara. Mitarika ny ekipan’i Helfrick, isa 13 arahin’i France 2, isa 9. Tsiahivina fa ny 22 aogositra ny dingana faharoa hatao ao Nevers.

Partager sur: