Vaovao tambatra

 Plastika ny 10% ny fako eto Madagasikara, izay mahatratra 68 985 taonina. Natao ny 8 aogositra teo ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fikambanana Fakotory. Tanjona ny hanodinana ny fako plastika, vita amin’ny akora vinyl, ho lasa kitapo fiantsenana ho solon’ny harona plastika.

 Simba ny fitaovana fampiakaran-tosika ny ranon’ny Jirama eny Nanisana, ka tsy maintsy naato ny famatsiana, omaly. Voakasiky ny fahatapahan-dra­no ny eny Ankerana, Ankadindramamy,…, Ambato­be, Masinandriana, Analamahitsy, Andranobevava, Ambo­­­­hitrarahaba, Antanandrano, Manjaka, Ambo­hipanja, Ankadikely Ilafy, Ivandry, Soavimasoandro, sns.

 Miisa 293 ny mpamboly sy mpiompy, anaty fikambanana 4, sy olon-tokana 16, nahazo fitaovam-pamokarana any amin’ny kaominina Befandriana Avaratra, Morafeno, Ambodimotso Sud, Ambararata, Tsiamalao, any amin’ny distrika Befandriana Avaratra, faritra Sofia. Anisan’izany ny angadin’omby, hersa, « pulverisateur », motopompy, fivelesam-bary, fihavana, masomboly, zezika. Ho an’ny fiompiana, nisy ny akoho fakana nofo, provandy, fefy grillage, fisotroana sy fihinanan-tsakafo, sns.

Partager sur: