Vohitra manan-tantara: fetin’ny taranaka FJKM Ambohimamory

Iray amin’ireo vohitra manan-tantara eto Imerina i Ambohimamory. Anisan’ny nahatahiry izany ny FJKM Ambohimamory Malala Orimbato. Hisongadina amin’ny « Fetin’ny taranaka » hotanterahina rahampitso eny an-toerana io. Nanao antso ho azy ireo ny tomponandraikitra hanatontosa ny fihaonana hiainana indray ny fifankatiavana sy firaisankina ary ny fifankahalalana.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanompoampivavahana hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany. Hisehoan’ny isan-taranaka sy fianakaviana. Fandrehetana labozia, fanatanterahina adidy. Rana ny fanazavan’ny tomponandraikitra hatrany, amin’io fotoana io no hanaporofo ny taranaka fa fianakaviana velona. Hanompo an’Andriamanitra. Hisy ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo sy fiaraha-misakafo.
Fantatra fa ny Pasteur Randriamanantenasoa Martin no mpitandrina eny an-toerana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: