Baolina kitra U19 : hanafika any Espagne ny Netfoot

Nambara tamin’ny fomba ofisialy teny By-pass, ny sabo­tsy lasa teo, fa handeha ho any Espagne ny sekolin’ny baolina kitra Netfoot. Hiatrika ny fifanintsanana “Mic”, izay hatao any an-toerana, ny avrily 2025 izao. Araka ny fanaza­vana azo teny an-toerana, ny sokajy U19, lehilahy, no handeha amin’io fotoana io. Tsy mbola ampy ny isan’ireo U19 ka hisy ny fitiliana mpilalao hafa hatao eny amin’ny kianja Pedro, ny 28 sy ny 29 aogositra ho avy izao. Tanjon’izy ireo ny hampivelatra ny ankizy any ivelany, ankoatra ny eto Mada­gasikara. Miantso ireo malala-tanana moa ity mpitaiza an­kizy amin’ny baolina kitra ity mba hanampy azy ireo satria voninahitr’i Madagasikara no harovana. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa ani­san’ireo mandray anjara amin’ ity fifaninanana hatao any Es­pagne ity ireo klioba goavana any Eoropa. Toa ny Fc Barce­lone, ny Real Madrid, ny Paris Saint Germain (PSG), Man­chester City, Chelsea, Olympi­que de Marseille, FC Porto, Sporting Lisbon. Ity fifinina­nana ity dia efa nandraisan’ ireo mpilalao kalaza anjara, anisan’izany i Lamine Yamal, lohalaharan’i Espagne; i Lionel Messi, argentin, i Kylian Mbappé, frantsay ary Belling­ham, anglisy.

Fitia Randria

Partager sur: