FANTINA sy FINTINA

Tokony haharaka ny hafainganam-pandehan’ny filoha Rajoelina Andry ireo tomponandraikitra, araka ny nambaran’ny governoran’Analamanga, Rasoa­maromaka Hery tetsy Mahamasina, afakomaly. “Mila miezaka mafy isika amin’izany mba hanatanterahana ny vina napetrany”, hoy izy tamin’ny fizarana “Tsimbina”.

Nitohy indray ny hetsiky ny vehivavy MMM. Nivarotra fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary ilaina amin’izao fampidirana mpianatra izao indray, izy ireo. Nisitraka izany ny teny Ambohitrimanjaka sy Tanjombato, ny sabotsy teo. Any amin’ny volana septambra vao hifarana ny hetsika ary hitety kaominina maro ireto VMMM ireto.

Hadihadian’ny zandary etsy amin’ny Toby Ratsimandrava ny mpanao gazety avy any Toamasina, i Mickaelys Kamy Ndiamahazo. Nampanantsoin’ny sampana fikarohana heloka bevava, ny sabotsy teo, ny tenany. Anisan’ny hamotorana azy amin’izany ny momba ny sambo Mercy Ships sy ny fanentanana ny olona hifoha sy hitsangana…

Noraisin’ny loholona, Alidy Bin Soufou, tetsy Anosikely, ny herinandro teo, ny solontenan’ny fikambanana Silamo. Tafiditra anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fikambanana izany. Nangataka tsodrano koa ny solontenan’ireo mpino silamo hiatrika fifaninanana fanaovana tsianjery ny Coran hatao any La Mecque.

Partager sur: