Notanterahina ny omaly, teny amin’ny Araben’ny fahaleovantena Analakely, ny fampisehoana lehibe namaranana ny « Festival jazz tohatohabato » andiany faha-13. Mozika maroloko sy mpanakanto marolafy no nandray anjara tamin’izany. Ankoatra ny fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy Jazz. Anisan’ny tanjon’ny mpikarakara ihany koa ny fampahafantarana ny maha izy azy izany gadona izany.
Ny kanto tokoa no naseho nandritra ny famaranana ny « Festival jazz tohatohabato ». Anisan’ny nanafana ny sehatra, tamin’izany, ry Rajery, Fanja Andriamanantena, Manou Radonason, Samoela, … Gadona maro, araka izany, no nandravaka ny sehatra ary saika ny mpankafy mozika iray manontolo mihitsy no nahazo ny anjarany nandritra ny hetsika. Anisan’ny nampiavaka ny seho ihany koa ny fihirana an-tsehatra hira malaza iray nohatsaraina hifanaraka amin’ny gadona Jazz. Anisan’izany ny hira «Tsy akeo» an’i Jaojoby, niarahana niasa tamin’i Martin Zenker sy Pascal Haas, izay vahiny manam-pahaizana manokana mahakasika an’ity gadona ity.
Lin