Fifanakalozana ara-barotra: hitohy 10 taona manaraka ny Agoa

Tsara ny vokatra. Resy lahatra ny hanohizana indray ny fahafaha-manondrana eo amin’ny tsenam-barotra African Growth and Opportunity Act (Agoa) ny kongresy amerikana, nandritra ny fivoriambe faha-21 natao tany Washington DC. Andrasana ny fotoana hanavaozana ny lalàna amerikana momba ny fifanakalozam-barotra ho an’ny 10 taona manaraka na mihoatra, amin’ity taona ity. Nanao tatitra momba ny fivoriambe ny delegasiona malagasy tetsy Ambohidahy, izay miantefa amin’ireo mpikambana ao amin’ny komity Agoa misy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny rafi-panjakana voakasika ary ny firaisamonim-pirenena. Nisongadina, tamin’izany, ny fanatsarana takina, na eo amin’ny sehatra tsy miankina na ny rafi-panjakana, na ny firaisamonim-pirenena. Hamoraina ihany koa ireo dingana ara-panjakana hisitrahana ny tsenam-barotra amerikanina. Eo koa ny hanavaozana haingana, ho an’ity taona ity, ny fahamatoran’ny tsena Agoa sy Zlecaf. Ankoatra izay, hamafisina ny fiaraha-miasa akaiky ary ny fivelaran’ny seha-pihariana ao anatin’ny tsena amerikanina.

Henintsoa H.

Partager sur: