Efa nivoaka ny tetiandro sy ny lisitry ny antontan-taratasy ilaina ho an’ireo hirotsa-kofidina ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna, hotanterahina ny 11 desambra izao. Tapaka tamin’ny filankevitry ny governemanta ny 9 aogositra teo izany.
Hanomboka ny alakamisy 5 ka hatramin’ny alahady 15 septambra izao ny fametrahana ny antontan-taratasy ho an’ireo mpirotsaka hofidina. Ny talata 19 novambra ka hatramin’ny 9 desambra ny fampielezan-kevitra.
Noferana ho 1 200 000 Ar ny ambany indrindra raha 20 tapitrisa Ar ny ambony indrindra, arakaraka ny sokajin’ny kaominina amin’ny anto-bola haloan’ny kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina.
Ho an’ny kaominina an-tanàn-dehibe “Hors catégorie”, 20 tapitrisa Ar ny anto-bola. Anisan’izany Antananarivo Renivohitra sy Ste Marie ary i Nosy Be. 15 tapitrisa Ar kosa izany ho an’ny tanàn-dehibe “1er catégorie”. Ho an’ireo kaominina an-tanàna-dehibe “2e catégorie” kosa, arakaraka ny isan’ny mpanolotsaina monisipaly izany. 5 tapitrisa Ar raha miisa 19 ary 4 tapitrisa Ar kosa izany raha miisa 15 ireo mpanolotsaina.
Hatao dika mitovy efatra ireo antontan-taratasy
Mitentina 3 500 000 tapitrisa Ar raha miisa 13 ireo mpanolotsaina ary 3 tapitrisa Ar izany ho an’ireo kaominina manana mpanolotsaina miisa 11. Noferana ho 2 400 000 Ar izany raha miisa 9 ireo mpanolotsaina. Ho an’ny kaominina ambanivohitra kosa, 1 700 000 Ar ny anto-bolan’ny kandidà raha fito ireo mpanolotsaina ary 1 200 000 Ar izany ho an’ireo kaominina manana mpanolotsaina miisa dimy.
Etsy andaniny, tsy maintsy atao dika mitovy efatra avokoa ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ireo.
Synèse R.