Hotanterahina any Antsiranana, ny 20 – 25 aogositra 2024 izao, ny fihaonamben’ny kongresy Eokaristika nasionaly sy ny Afafi-Fet. Ho avy hanatrika izany ireo tanora maherin’ny 15 000, avy amin’ny diosezy 22, manerana ny Nosy. Efa milamina hatrany amin’ny 95% ny fiomanana sy fandraisana ireo mpizaika rehetra any an-toerana, amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavana voaray. “Efa misy ny fifandrasaina akaiky amin’ireo tomponandraikitra misahana ny fifamoivoizana sy ny fanjakana mba hisorohana ny loza na mandroso na miverina”, hoy Mompera Zakavelo José. Sj, tale nasionalin’ny TPPM/ Afafi-Fet, mpikarakara ny hetsika, nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Episkopa Antanimena, ny zoma lasa teo. Nisy koa ny antso natao ho an’ireo mpizaika mba hanaraka ny lamina rehetra napetraka isaky ny diosezy. “Zava-dehibe ny fiarovana ny ain’ny mpizaika”, hoy hatrany izy. Hanomezana aim-panahy vaovao. Ankoatra izay, hisantarana ny fankalazana ny taonan’ny vavaka sy ny jobily lehibe 2025 ity fihaonana ity. Tanjona ny hanamafisana ny fihavanana eo amin’ny Eokaristia sy hanomezana aim-panahy vaovao eo amin’ireo mpino katolika ho avy hanatrika izany. Ahitana katesizy, fifaninanana momba ny tenin’ Andriamanitra, fijoroana vavolombelona, fifampizarana kolontsaina ary fitsaohana ny sakramenta masina mandritra ny hetsika. “Ny fihavanana no manasitrana izao tontolo izao ary mpiray tampo avokoa ianareo”. Io ny lohahevitra amin’izany.
Mino