INDRAY MIJERY

Hisy ny hetsika fandidiana maimaimpoana ataon’ny CHU Andohatapenaka, ho fanamarihana ny faha-10 taonan’ny hopitaly, ny volana septambra ho avy izao. Hanomboka anio ny fizahana mialoha hahafahana manatanteraka izany. Iarahana amin’ireo vahiny avy any Turquie, mpitsabo, ny fandidiana ny aretin’ny sofina, ny orona, ny nify ary ny aty vava.

Manomana hetsika fizarana lay misy odimoka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Misy ny fitetezan-trano, fanadihadiana tsotra ataon’ny ekipa, hahafantarana ireo tokantrano hisitraka izany. Tokony horaisina sy hovaliana tsara ireo mpanao fanadihadiana ary mizara “coupon” hahafahana maka ny lay.

Nampahafantarina ireo tanora mpikambana ao amin’ny Mpanazava ny Surf Smart na ny fikirakirana ny teknolojia am-pahendrena. Natao izany mba tsy ho poizina sy ho famotehana azy ireo ny fivoaran’ny teknolojia fa ho tontolo iray afaka hivelarana sy hanararaotana amin’ny tsara sy ny mahasoa.

Tanterahina ao Sambava, hatramin’ny androany, ny fihaonan’ny filohan’ny Tily (Fifiti). Nihaona tamin’ny governora sy ny ben’ny Tanàna ao an-toerana izy ireo, izay notarihin’ny ekipa nasionaly. Hanatsarana ny fitaizana skoto sy hitondra fanavaozana no anton’ny fihaonana.

Partager sur: