Kabary: nanatanteraka hetsika maro sosona ny Fi.Mpi.Ma

Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Ny lehibe sy zokiny indrindra amin’ny fikoloana sy fampivela­rana ny tontolon’ny kabary malagasy. Nanatanteraka hetsika lehibe ny faran’ny herinandro teo.

Tao anatin’ny tapakandro maraina. Fandaharam-potoana maro sosona no notanterahin’ny Fikamba­nan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany), ny sabotsy 10 aogositra teo, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena
sy kolontsaina Imahamasina. Nakatona ny fankalazana ny faha-60 taona. Nosokafana ny « Herinandron’ny kabary ». Mpianatra 810 no navoakan’ ny faritany Fi.Mpi.Ma Antana­narivo.

Fotoana nampahatsiahivan-dRandimbarison Herizo, filoha mpanampy eo anivon’ity fikambanana lehibe sy zokiny indrindra amin’ny fikoloana sy fampivelarana ny kabary ity, fa : « tao anatin’izay 60 taona nijoroany izay, misandrahaka ao anatin’ny firenena 19 ny fam­pianarana kabary sahanin’ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany. Aman’aliny ny mpikambana. Ny 75% ny mpikambana, saika tanora latsaky ny 30 taona avokoa ». Notsiahiviny fa an­koatra ny maha zavakanto sy kolontsaina ny kabary, fitai­zana sy fanabeazana feno amin’ny fampivelarana ny maha olona izy.
Mitohy ny « Herinandron’ny kabary »

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny « Heri­nan­dron’ny kabary », anio, ny hazakazaky ny fandriampahalemana iarahana amin’ny mi­nisiteran’ny Tanora. Tohizana amin’ny atrikasan’ny fampianarana izany avy eo. Mbola ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina hatrany. Rahampitso manomboka amin’ny 9 ora maraina, fiofanana sy fanatevenam-pahalalana samihafa. Ny alarobia 14 aogositra, alavoly sy fanatanjahantena. Arahina takarivam-pirahalahiana ho an’ny rehetra, eny amin’ny Espace Imaho Avaradrano.
Hivoaka kely ny Renivo­hitra ny fandaharam-potoana manomboka ny alakamisy 15 aogositra. Tsidi-bohitra ho an’ ny rehetra eny Ambohi­manga Rova. Zoma 16 aogositra, fi­aingana ho any Soa­vi­nan­driana (famoahana mpianatra, zara kolontsainan’Itasy…). Sabotsy 17 aogositra, fitsidihana ireo toerana manan-tantara (ilôt de la Vièrge, chute de la Lilly, Geyser Analavory).

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: