Politeknika Vontovorona : hampiakarina ny tanjaky ny internet

Nilamina ny raharaha eny Vontovorona rehefa nihaona ny andaniny roa. Nanome toky hanao ezaka ny fanjakana amin’ny fantsarana ireo fotodrafitrasan’ny mpianatra. Efa nanomboka nahazo vatsim-pianarana ireo mpianatra.

Nifanatona ny fanjakana sy ny mpianatra eny amin’ny politekika Von­to­vorona nandamin-draharaha ny faran’ny herinandro teo. Milamina amin’ny ampahany ny savorovoro eny amin’ity sampan’ny Oniversite ity.
Nidina ifotony nijery ny zava-misy, nihaino sy nifanakalo hevitra tamin’ireo mpianatra mihitsy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, notarihin’ny minisitra mpisolo toerana, ny Pr Ravokatra Fidiniavo.
Nifampiresahina tamin’ireo mpianatra, nandritra ny fihaonana, ireo olana iainan’izy ireo ary nitondrana vahaolana avy hatrany izay azo notanterahina teo no ho eo. Hatsaraina ny internet eny an-toerana ary handefa teknisianina misahana izany hanao ireo fitsirihana rehetra ny fanjakana mba hampiakarana ny tanjany sy ny lentany. Iankinan’ny fianaran’ny mpianatra ny hakingan’ny tambajotra internet hahafahan’izy ireo manao fikarohana amin’ny fianarany.
Hojerena ihany koa ireo fotodrafitrasa mila fanatsarana ka ho apetraka ireo toeram-pidiovana entina hanamaivanana ny filan’ireo mpianatra. Nisy avy hatrany ny fitsidihana nataon’ny minisitra hamaritana ireo toerana tokony hametrahana izany.
Nanome toky ny minisitra fa misokatra ho an’ny rehetra ny fifampidinihana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny oniversite sy ny fiainan’ny mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.
Efa nanomboka ny herinandro teo ny fizarana ny vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra eny an-toerana, izay natrehin’ny minisitra.
Efa an-dalam-pikarakarana ny vatsim-pianarana telo volana farany ihany koa ny fanjakana amin’izao fotoana izao raha ny fanazavan’ny Mesupres hatrany.
Noraisin’ny fanjakana an-tànana ihany koa ny fitsaboana an’i Avotiana izay naratra mafy nandritra ny hetsiky ny mpianatra.

Tatiana A

Partager sur: