Tan-dalàna… tsara tantana

 

Anisan’ny fanambin’ny fitondram-panjakana amin’izao ny fanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsy vitan’izany, atao ho anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana. Ao anatin’izany ny fanjakana tan-dalàna, ny ady amin’ny kolikoly… Mby aiza? Matoa atrehina manokana izany, tsy mbola tonga amin’izay iheverana azy. Na tsy mbola mety kolontsaina mandeha ho azy ny fanarahan-dalàna. Misy hatrany ny mihevitra ho ambonin’ny lalàna, ao ny hoe tsimatimanota… Mbola izany no heverin’ny sasany ho mampiavaka azy, tombondahiny, ahombiazany amin’izay ataony… Tsy inona fa fanamparam-pahefana, fanararaotana amin’ny fahalalana olona, firaisana tsikombakomba ratsy…
Amin’izany rehetra izany, sarotra sy mafy ny fampandrosoana. Sasatry ny miarina? Manjaka ny tsy fifampitokisana, ny adilahy politika, ny korontan-dava… Vokatr’izay nisy hatramin’izay izao iainana izao. Tsy ny rafitra tsy mahavita ny asany sy tsy azo antoka ve, ohatra, no mahatonga ny rafitra mirazotra amin’ny efa misy? Ny tsy fahatokisana ny minisiteran’ny Atitany no nananganana ny Ceni amin’ny fikarakarana fifidianana, ny fitsarana hoe anisan’ny anjakan’ny kolikoly no nampijoroana ny tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac), ny vahoaka ifotony tsy mahita izay isarangotana no nampisiana ny sampandraharaha fitarainana eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika…
Tsy misy maharatsy ny fananganana rafitra vaovao mirazotra amin’izay efa misy? Na izany aza, zava-dehibe ny fanamafisana orina sy fanaraha-maso akaiky ny rafitra efa misy. Hatraiza ny fifampitokisana? Ny fanarahana sy fampiharana lalàna no antony. Izay no anisan’ny miantoka ny fanjakana tsara tantana. Misy ve ny azo tahafina amin’izany na isan-tsehatra na isan’ambaratonga?

R. Nd.

Partager sur: