Tontosa ny sabotsy 10 aogositra teo, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny « Iray feo ho an’i Kristy”. Fampisehoana ara-pilazantsara niarahana
tamin’i Rija Rasolondraibe sy Joseph d’Af ary Pasteur Jocelyn Ranjarison. Nanotrona azy ireo tamin’izany ireo antokom-pihira ara-pilazantsara maro samihafa. Tafita ny hafatra hoy ny mpikarakara teny am-piafaran’ny fampisehoana.
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny “Manal’azy tanora zokiny”. Fampisehoana niarahana tamin’ny Olombelo Ricky. Zary lasa fanao isan-taona ity hetsika ity, ihaonan’ny tia sy ny manina, ankafizan’ireo sokajy zokiny ny mozikan’ity mpanakanto ity.
Hisokatra ho an’ny zavakanto ny Studio Trano Tandroka etsy Behoririka manomboka ny volana septambra izao. Toerana telo no azo ampiasaina amin’ izany. Ny ivelan’ny trano sy ny ao anaty trano miisa roa. Fantatra fa ny soradihy, yoga, qi-gong, zumba, karaténo hisantara izany. Hatevenina tsikelikely amin’ny valiha sy ny valandresaka ary ny atrikasa samihafa izany raha ny fandaharam-potoana.
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanabeazana ny maha olona ny zavakanto. Maro ireo sekoly efa mampiditra azy io any amin’ny taranjam-
pianarana. Na izany aza, mbola misedra olana ny ankamaroany noho ny fiheveran’ny ray aman-dreny fa : « tsy ilaina any an-tsekoly ny zavakanto sy ny kolontsaina fa mahatonga ny fiakaran’ny saram-pianarana » !