TETIKASA MAHARO: 49 tapitrisa dolara niasana

Nentina nanatsara ny vokatry ny fanjarian-tsakafo tany amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana ny tetikasa Maharo, izay tohanan’ny governemanta amerikanina. Ho fiahiana manokana ireo vondrom-piarahamonina marefo amin’ireo faritra niasana nandritra ny 5 taona ny famatsiam-bola avy amin’ny USAID Madagascar.
Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fanjarian-tsakafo ity tetikasa ity, noho ny asa mafy sy ny fanoloran-tenan’ireo rehetra nandray anjara. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny governemanta amerikanina sy malagasy. Teo indrindra koa ny ezaka nataon’ireo mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanatanterahana, anisan’izany ny CRS Madagascar. Ezaka nifarimbonana teny ifotony rahateo no natao.
Teo indrindra ny fitarihana avy amin’ny minisitera isan-karazany sy ny fanoloran-tena nataon’ireo lehilahy sy vehivavy ary tanora eo anivon’ny vondrom-piarahamonina mpiara-miombon’antoka. “Miezaka hatrany hanova ny fari-piainana ho tsara hatrany izy ireo”, hoy i Stephanie Arnold, mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny masoivoho amerikanina.

Tatiana A

Partager sur: