Tetikasa Volobe: tafapetraka ny vato fehizoro

Napetraka ao amin’ny fokontany Ambodimanga, kao­minina Ambodilazana, distrikan’i Toamasina II, ny zoma teo, ny vato fehizoro hanombohana ny tetikasa Volobe. Toerana hananganana sy hametrahana ireo fotodrafitrasa hanatanterahina ny tetikasa. Nitarika izany ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean-Baptiste Olivier, sy ny tale jeneralin’ny CGHV, Remy Huber.
Marihina fa hananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano, hanana tanjaka 120 MW, ary hamokatra 750 GWH isan-taona ny tetikasa. Hanampy tosika ny tambajotra iraisan’ Antananarivo (RIA) sy Toamasina (RIT) ihany koa izy io. Mirefy hatrany amin’ny 25m ny haavon’ny tohadrano hatsangana, raha 300 m kosa ny sakany. Noho izany, hahatratra hatrany amin’ny 2 tapitrisa ny tokantrano hisitraka herinaratra ary asa 1 500 isa no hiforona amin’ny alalan’ny tetikasa.

3P
Vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny sehatra tsy miankina ny tetikasa Volobe ary tafiditra ao anatin’ny ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Omena lanja manokana ny maha olona, ny fahaiza-mitantana ary ny fampandrosoana ny toekarena. Tanjona ny hampitombo avo roa heny ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030.

Henintsoa H.

Partager sur: