Tsena iraisam-pirenena: hanondrana vary isika amin’ ny taona 2027

Mikasa hanondrana vary mainty sy mena eo amin’ny tsena iraisam-pirenena i Madagasikara manomboka ny taona 2027 rehefa tratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

Tafiditra ao anatin’ny paikady nasionalin’ny fampiroboroboana ny vary, SNDR3, ny tetikasa fanondranam-bary ataon’i Mada­gasikara ny taona 2027 raha vao tratra ny fahaleovan-tena ara-tsakafo. Maharitra taona maro ny fanomanana ny tetikasa. Antony nanaovana ny atrikasa teny Antaninarenina, ny zoma teo, niarahana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpisehatra samihafa ary ny mpiara-miombon’antoka isan-karazany. Voafaritra, nandritra izany, ny paikadim-panondranana sy ny tondrozotra hanatanterahina ny tetikasa. Ankoatra izay, hifantoka betsaka amin’ny fampiroboroboana sy hanatsarana ny voka-bary eto amintsika ny tetikasa Papriz 3, tohanan’ny « Agence japonaise de coopération internationale » (Jica) izay tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Tanjona ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ara-potoana ho an’i Madagasikara.

Tombony
Nisongadina manokana, nandritra ny atrikasa, ny fanondranana ny vary mainty sy ny vary mena. Ireto farany izay tsy mahavantana ny mpanjifa eto amintsika saingy misongadina sy fanta-daza any ivelany noho ny kalitao sy ny tsiro ara-pahasalamana entiny.
Tombony ho an’ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena ny fanondranana an’ireo karazam-bary ireo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Hiverina ho sompitry ny ranomasimbe Indianina ihany koa ny firenena malagasy raha tratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Marihina fa mahatratra 5 tapitrisa taonina isan-taona ny filana ara-bary eto amintsika, hoy hatrany ny Minae.

Henintsoa Hani

Partager sur: