VAOVAO TAMBATRA

Handray anjara amin’ny fihaonana antampony momba ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy Afrika (Focac) atao any Beijing, ny 4-6 septambra, i Madagasikara. Lohahevitra ny hoe « Miara-miasa amin’ny fampiroboroboana ny fanavaozana sy fananganana vondrona Chine-Afrika avo lenta ho an’ny hoavy iombonana ».
Laharaham-pahamehan’ny fanjakana ny “Medium Ring Tana”. Tetikasa hananganana zotra fitaterana angovo ana habakabaka hanohanana ny famokarana herinaratra ho an’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra ary Itasy. Hitombo ny mponina hisitraka herinaratra, izay mifanindry an-dalana amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE).
Nifarana omaly ny Tsenabe iraisam-pirenena ara-toekarena eny ambanivohitra (Fier-Mada) andiany faha-25 izay natao teny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka. Hetsika ho an’ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny toekaren’ny tantsaha ary ny vokatra malagasy.
Nanainga teto Antananarivo, omaly, ireo mpandray anjara miisa 120 amin’ny hetsika « Carnaval des baleines » atao any Nosy Boraha, hatramin’ny 18 aogositra ho avy izao. Hahitana hetsika maro samihafa toy ny fitsidihana toeram-pizahantany sy fanaovana asa tanana ao Sainte Marie, ny safari baleine, fampisehoana sy fanentanana samifaha. Ho faranana amin’ny fampisehoana ao Miami Toamasina kosa ny hetsika.

Partager sur: