Andavamamba : nitondra fanampiana ny BNGRC

Tsy niandry ela fa taorian’ny haintrano niseho teny Andavamamba-Anatihazo II, ny faran’ny herinandro teo, efa tonga teny amin’ilay toerana nisy ireo trano may ny ekipan’ny BNGRC, notarihin’ny Tale jeneraliny, Elack Olivier Andriakaja, nijery ifotony ny fahavoazana sady nitondra fanampiana vonjy ranovaky ho azy ireo. Vary, menaka,voamaina, lamba firakotra sy fitafy ary kojakojan-dakozia (vilany, sotro, vilia..) ahafahan’ izy ireo mikarakara sakafo no nentina. Ankoatra izay, nanolotra vola entina mitsabo vonjy maika ilay zaza may ny Tale jeneralin’ny BNGRC. Nanomboka omaly ny BNGRC no nitondra io zaza io eny amin’ny hopitaly ka handray an-tanana ny fitsaboana azy, hoy ny fanazavana.
Trano 11 tafo (ahitana 51 olona), satria vita amin’ny hazo, sy toeram-pivarotana enina no kila tanteraka. Trano roa voatery narodana hisorohana ny fiparitahan’ny afo amin’ny trano hafa. Tamin’ny 2 ora sy sasany maraina, ny alahady, no niandoha ny afo teny an-toerana ka niantso haingana ny sampana mpamonjy voina ny komity loharano eo amin’ny fokontany.

Vonjy

Partager sur: