Baolina kitra – Amboaran’i Afrika : hanainga amin’ny alahady izao ny Elgeco Plus

Vonona ny Elgeco Plus hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja baolina kitra. Lalao hifanandrinana amin’ ny Club Desportivo Da Lunda Sul. Miisa 28 ireo handrafitra ny delegasiona malagasy, hanafika atsy Angola.

Ao anatin’ny tsipika ma­hitsy farany amin’ny fanomanana ny dingana savaranonando hiadiana ny amboaran’ny Kaonfedera­si­o­na, ankehitriny, ny Elgeco Plus Football club. Mametraka ireo paikady hiatrehina ny Club Desportivo Da Lunda Sul avy atsy Angola ny mpanazatra, amin’ity faran’ny herinandro ity.

Marihina fa niantso mpilalao hafa hanatevina azy ny mpanazatran’ny Elgeco Plus, i Rado avy amin’ny AS Fana­l­a­manga sy i Andry Max, mpilalaon’ny Fosa Jr ary i Lalaina avy amin’ny CFFA. Tafiditra ao anatin’ny fanazarantenan’ity ekipa tompon’ny amboaran’i Madagasikara ity ny fampiarahana sy fampifamenoana ireo mpilalao nantsoina ireo, amin’ ireo efa tranainy. Tsy hisy ny lalao tsapa atao amin’ny ekipa Sparring partner amin’ity, hisorohana ny mety ho faharatrana fa fihaonana fotsiny.

Raha tsy misy ny fiovana, hanainga amin’ny alahady ho avy izao ny delegasiona malagasy. Araka ny angom-baovao, miisa 28 ny isan’ireo mandrafitra ny Elgeco Plus ka 22 mpilalao, mpanazatra iray, mpitantana ny klioba 4 ary mpanao gazety iray.
Raha tsiahivina, ao amin’ ny kianja Estadio 11 De Novembro ao Luanda avokoa no hanatontosana ny lalao mandroso sy miverina amin’ ity, noho ny tsy fananan’ny Malagasy kianja ankatoavin’ ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf).
Na eo aza izany, nanambara ireo mpilalao fa vonona hiatrika an-dry zareo angolais. Nomarihin’izy ireo fa ekipa avy any amin’ny faritra ny Lunda Sul ka mety tsy hitovy amin’ ireo klioba ao Luanda renivohitra,noho izany, tsy dia atahorana loatra.
Ny alarobia 21 aogositra ny lalao mandroso, ny alahady 25 aogositra kosa ny fihaonana miverina.

Tompondaka

Partager sur: