CHU HJRA : fanamby ny fanasarahana ireo kambana miraikitra

Dingana lehibe, fanamby, teo amin’ireo Malagasy dokotera manam-pahaizana ny fandresena tamin’ny fandidiana natao tamin’ ireo zaza kambana niraikitra, Tahinjanahary sy Fanambinantsoa.

Dokotera manam-pahaizana manokana miisa 22 mianadahy no nifarimbona tamin’ny fandidiana ireo kambana niraikitra, ny herinandro teo, tao amin’ny CHU HJRA. Nanano sarotra ny fandidiana satria ny fanasarahana ny hazondamosina sy ny tsokan-damosina no natao tamin’izany.

“Io faritra nodidiana io no miantoka ny fibaikoana ny faritry ny rantsam-batana ambany sy ny taova ambany rehetra ary tena saro-pady raha misy fahadisoana. Satria mety hitarika amin’ny fahalemena raha tsy voazara mitovy tsara”, hoy ny fanazavan’ny dokotera mpandidy iray.
Nosarahina ny nofon’ny fitombenany, ny taolan-damosina, ny fanasarahana ny tsinaibe ary ny fanomezana endrika ny fitombenan’ireo zaza roa ireo.
Naharitra adim-pamataranandro 9 ny fandidiana natao. Nandray anjara avokoa ireo mpampatory, ireo mpitsabo manokana ny zaza, ny mpandidy manokana ny zazakely, ny Neurochirurgie….Samy nanana ny andraikitra nilàna fahamalinana avokoa ireo.
Nanamarika ny mpampatory, Anesthésiste, fa intelo nampatoriana izy roalahy satria vao 3 volana monja dia efa natao izany nandritra ny fanaovana scanner. Taorian’ izay ny fitarafana ny tsy fahatomombanan’ny fo ary farany nandritra ny fandidiana.
Tafavoaka soa aman-tsara ny fandidiana azy roa lahy ireo izay noraisin’ny fanjakana an-tanana tanteraka. Mitohy ny fanaraha-maso ny fahasalamany. Efa mivoatra rahateo izany raha ny tatitra nataon’ireo dokotera. Efa mihetsika ny tongotr’izy roa lahy.
Fandidiana zaza kambana miraikitra fahatelo ity natao teto Madagasikara ity. Tamin’ny taona 2011 no voalohany, 2018 ny faharoa ary tamin’ny 7 aogositra teo ny fahatelo.

Tatiana A

Partager sur: