Cité Ampefiloha : mankalaza ny taon-jobily

Natsangana ny taona 1964 ny Cité Ampefiloha. Hiavaka ny fankalazana amin’ity taona ity. Hisy ny vina akaiky sy ny lavitr’ezaka, hampivoarana hatrany ny tanàna.
Hankalazaina ny 15, 16 ary ny 17 aogositra ho avy izao ny faha-60 taona niorenan’ny Cité Ampefiloha. Maro ny hetsika ho hita mandritra ireo fotoana ireo, toy ny fitokanana ny tsangambato, ny fifaninanana ara-panatanjahantena, toy ny baolina kitra ho an’ny ankizy, ny lalao tsipy kanetibe, sns. Eo koa ny fampisehoana ataon’ny mpanakanto maro (Agrad, Stéphanie, Princio, sns).
Fa anisan’ny tetikasa lavitr’ezaka kendren’ny Vaomieran’ny faha-60 taona ny hananganana trano fitsaboana, dispansera, ho an’ny mponina. Tanjona ny hanaovana fizahana ara-pahasalamana maimamipoana sy fanafody ho an’ny marary. Nomarihin’ ny filohan’ny fokontany, Rambelomanana Nirina, fa hojerena manokana koa ny fanamafisana ny fandriampahalemana. Efa misy ny vavahady isaky ny elakelatrano, fa ao anatin’ny vinavina ny hametrahana olona miantoka ny fandriampahalemana.
Tafiditra ao anatin’ny fanangonana tahirimbola hanatrarana ireo ny fiaraha-misakafo amin’ny 30 novambra 2024. Efa nahazo ny fahazoan-dalana amin’ny fikarakarana ny vaomieran’ny fanomanana, ka andalana ny fikarohana mpiara-miombon’antoka.
Tamin’ny fankalazana ny faha-40 taona ny Cité Ampefiloha no nanomboka ny fanaovana hetsika goavana toy izao. Ho an’ity taona 2024 ity, efa nisy ny fanomezana ho an’ny ankizy tamin’ny 29 jona. Nisy koa ny didimpoitra faobe tamin’ny 13 jolay.

Andranomadio taloha

Taorian’ny tondradrano teto Antananarivo, ny taona 1959, no anisan’ny nanorenana ny Cité Ampefiloha, ka Andranomadio ny anaran’ny tanàna tamin’izany. Hita ao anatin’ity fokontany ity daholo ny fotodrafitrasam-panjakana samihafa, ny sekoly Lycée Ampefiloha (LMA), ny hotely lehibe, sns.
Manodidina ny 4 300 ny mponina ankehitriny. Maro ny efa miparitaka any amin’ny fokontany hafa sy ivelany. Manentana azy ireny hifarimbona hanatsara ity tanàna ity ny mpikarakara.

Njaka A.

Partager sur: