Miantoka ny fampiroboroboana ny toekarena eto amintsika ny sehatry ny indostria. Sady miteraka asa isan-karazany izy no mandray anjara 16% amin’ny fampandrosoana ny harinkarena faobe.
Mandray anjara betsaka amin’ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny indostria. « Anisan’ny manorina asa maro sy maharitra eto amintsika izy io », hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, teny amin’ny Antenimierandoholona, nandritra ny famelabelarana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Avy amin’ny indostria avokoa, hoy izy, ny 16% ny harinkarena faobe. Noho izany, efa novaina avokoa ny lalàna mahakasika ny hampandrosoana ny orinasa vaventy, ny lalàna momba ny fampiasam-bola ary ny lalàna momba ny orinasa kaoperativa hanamorana ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Natao izany mba hisarihana ireo mpanam-bola sy mpampiasa vola ary ireo mpandraharaha malagasy sy teratany vahiny hampiasa vola eto amintsika. Fa indrindra hanenana ny fanafarana ataon’i Madagasikara. Mbola mahatratra 80% rahateo ny fanafaran’entana ataon’ny firenena malagasy. Ilaina, araka izany, ny fampihodinana ny toekarena amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny indostria.
Taninketsa indostrialy
Tohizana ny fametrahana ny orinasa madinika eny ifotony, hanodinam-bokatra, ialana amin’ny fanafarana entana. Tohizana ihany koa ny fandaharanasa « One District One Factory (Odof)”. Hamolavola drafitra hametrahana ireo orinasa vaovao miisa 100 hafa indray manerana ny Nosy ny fitondram-panjakana, ankoatra ireo taninketsa indostrialy 75 efa tafapetraka. Hatsangana ny orinasa indostria antonony sy lehibe iarahana amin’ny mpandraharaha tsy miankina, malagasy sy vahiny, ary ireo mpiara-miombon’antoka mba hanome asa sy hampitomboana ny indostria mpanodina akora fototra eto an-toerana.
Ankilany, maro ireo tetikasa eo an-dalam-pamolavolana amin’izao fotoana izao, toy ny orinasa mpamokatra simenitra, siramamy, zezika, provandy, lamba, sns.
Henintsoa Hani