Hatao ny 11 desambra izao ny fifidianana ben’ny Tanàna, kaominaly sy monisipaly, manerana ny Nosy, araka ny didim-panjakana mamaritra ny fifidianana lah-2024-1496.
Navoakan’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Atitany, teny amin’ny tambajotran-tserasera ny didim-panjakana mahakasika ny fahafahana mirotsaka. Hita ao anatin’izany ny didim-panjakana mampahafantatra ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina rehetra amin’ny fifidianana. Manampy izany ny didim-panjakana manambara ny filatsahan-kofidina ho an’ny kandidà iombonana sy mahaleo tena. Ahitana ny didim-panjakana momba ny fanambarana ny fandoavan-ketra tao anatin’ny telo taona. Hita ao koa ny didim-panjakana miresaka ny fanambarana ny fari-pananan’ny kandidà tsirairay. Ny petra-bola miankina amin’ny fanasokajiana ny kaominina tsirairay avy. Ao ihany koa ny didim-panjakana mahakasika ny fanambarana fahavononana hanaja ny fepetra rehetra mifandraika amin’ny famatsiam-bola sy fampielezan-kevitra mandritra ny fifidianana.
Hanomboka ny 5 septambra izao ny fanaterana ny antontan-taratasy rehetra ho an’ireo kandidà vonona handray anjara. Hifarana ny 15 septambra izao kosa izany, raha ny vaovao voaray. Tokony hanomboka ny tapaky ny volana novambra izao ny fampielezan-kevitra ho an’ireo hilatsa-kofidina.
Mino