Anisan’ireo milalao tantara amin’ny onjampeo ny fikambanana Bira Ti’Art. Ho fanandratana avo ny sehatry ny tantara an’onjampeo, nambaran’ny filoha mitarika azy ireo, Yanita Parson, fa ao anatin’ny fanitarana ny hetsika sy ny sehatra ataony izy ireo amin’izao fotoana izao. “Fanombohana izany ny fitsirihana sy fifantenana ireo mpilalao tantara amin’ny onjampeo ho an’ireo liana amin’izany eto Antsirabe sy ny manodidina”, hoy izy. Hotanterahina ny sabotsy 17 aogositra izao, ao amin’ny foiben-toeran’ny KoloTV/FM ao Antsirabe, izany. Iarahana manatontosa amin’io haino aman-jery io rahateo izao fifantenana izao. Ho avy any an-toerana hanampy ny fikambanana Bira Ti’Art amin’ny fikarakarana izany ny mpilalao tantara avy amin’ny onjampeo samihafa avy aty Antananarivo. Hifampizara sy hifampita ny fahaiza-manao eo amin’izany sehatry ny tantara amin’ny onjampeo izany izy ireo, amin’izao fifantenana sy fitsirihana talenta izao.
Tsiahivina fa ahitana mpikambana 9 ny fikambanana Bira Ti’Art amin’izao fotoana izao sady mivelatra amin’ny sehatra hafa, ankoatra ny filalaovana tantara amin’ny onjampeo. Anisan’izany ny fanafanana lanonam-pianakaviana, toy ny mariazy. Eo koa anefa ny seho an-tsehatra amin’ny alalan’ny hira sy dihy na koa fikojakojana endrika amam-bika, ny taovolo.
HaRy Razafindrakoto