“Homo Faber 2024” : handray anjara amin’io hetsika io ny zavakanto malagasy

Hahazo tombony manokana ireo mpahay kanto, mpanao asa tanana. Hetsika anisan’ny lehibe, ahitana atrikasa sy fampiofanana maro ho fampiroboroboana ny zavakanto sy ny tontolony ny “Homo Faber”.

Hotanterahina ny 1 hatramin’ny 30 septambra 2024, ao amin’ny Fondation Giorgio Cini Venise Italia, ny “Homo Faber 2024”. Miditra amin’ny andiany fahatelo ny hetsika amin’ity taona ity ary fandraisana anjara voalohany ho an’i Madagasikara. Fampirantiana hanandratana sy hanomezana sehatra ireo asa tanana, karakarain’ny Michelangelo Fondation for creativity any Craftsmanship izy io. “Homo Faber 2024: le voyage de la vie”. Io no lohahevitr’ity andiany ity. Mpana­kanto mpanao asa tanana miisa 400, avy amina firenena 70, no handray anjara amin’izany. Tombony lehibe ho an’ny zavakanto malagasy, indrindra ny mpahay kanto, ny fandraisan’anjara amin’izao hetsika izao, noho izy mikendry ny handavorary ny kalita­on’ny kanto iray.

Vokatra voalohany
Mitohy hatrany ny fivelarana sy ny fifandraisana amin’ ireo zavakanto sy ny mpahay kanto avy any ivelany, ho an’ny eto Madagasikara. Manamarika izany izao fandraisan’anjara amin’ny “Homo Faber 2024”izao. Fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Fond Yavarhoussen sy ny Michelangelo Fondation no nahafahana nisitraka ny fandraisana anjara eo amin’ity tontolon’ny zavakanto ity. Modelin-tsambo miisa enina nataona Malagasy mpanao asa tanana no haondrana sy entina mandray anjara amin’ izany.
Ny Fond Yavarhoussen, etsy ankilany, izay misehatra eo amin’ny fampivoarana sy fampiroboroboana ny haikanto sy ny vakoka malagasy. Ny Michelangelo kosa, etsy andaniny, manohana ireo mpahay kanto manerana izao tontolo izao mba hampanjakana ny fiaraha-miaina maha olombelona sy miray hina ary maharitra.

Lin

Partager sur: