INDRAY MIJERY

Mitohy hatrany ny fanomezana fiofanana ataon’ny Fitaleavana misahana ny fampiofanana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao eo anivon’ny Fitaleavana ankapoben’ny fampiroboroboana ny fampananana asa. Manomboka ny tapaky ny volana septambra no hanatontosana izany ho an’ireo izay liana . Tafiditra amin’ny tetikasa «Vinanasa mendrika» ny fanomezana fiofanana.
Nanamafy ny fahalalana mahakasika ny fiarovana ny ankizy amin’ny fanararaotana mamoafady amin’ny internet ireo mpisehatra amin’ny fiarovana ny ankizy, ao amin’ny faritra Anosy. «Ry zatovo sy ankizy, lanjalanjao hatrany ny fampiasana ny tambajotran-tserasera!», hoy ny fikambanana Ecpat Madagascar.
Nidina ifotony teny amin’ny orinasa mpanodina ronono ho vokatra azo hohanina tany Atsirabe ny ekipa teknikan’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanananasa ary ny asam-panjakana, omaly. Tanjona ny hijerena ifotony ny tontolo iainana ankapobeny eo anivon’ity orinasa ity amin’ny lafiny arakasa sy ny fitantanana ireo loharanon-karena samihafa, indrindra ny loharanon-karena araka olona.
Hatao ny 26 aogositra izao ny fandidiana sima maimaimpoana, ao amin’ny CHU Tanambao na Hopitaly manara-penitra ao Antsiranana. Fiaraha-miasa amin’ny Médecin du Monde no ahafahana manatanteraka izany. Iandraiketan’ny Médecin du Monde ny fandraisana an-tanana ireo olona avy lavitra tonga hididy.

Partager sur: