Muay Thaï -“Gildas Fight Night”: fankalazana ny faha-60 taonan’ny Maître Gildas

Mankalaza ny faha-60 taonany ny Maître Razanajatovo Gildas. Ho fankalazana sy ho fanamarihana izany, hisy ny ady eo amin’ny taranja Muay Thaï, hatao ny sabotsy 17 aogositra ho avy izao. Ady 16 no hitranga amin’io fotoana io, eny amin’ny Henri Fraise An­ko­rondrano. Hiavaka sy ho avo lenta tanteraka ireo ady ireo satria handray anjara amin’izany ny ekipam-pirenena malagasy, taranja Muay Thaï. Hisy mpikatroka avy any amin’ny faritra ao anatin’ny ekipa nasionaly ho avy, toy ny avy any Fianarantsoa, Toa­ma­sina ary Antsirabe. Anisan’ iza­ny, ohatra, i Tahiantsoa Jacquis avy any Toamasina izay hifanandrina amin’i Stephano, mpikatroka ao amin’ny Cospn, sokajy 51 kg. Manana solontena ihany koa ny mpikatroka avy any Fia­na­rantsoa, anisan’izany i Michel (Elephant Fianara) izay hiady amin’i Romeo (Centre), eo amin’ny sokajy 32 kg. Hiakatra ringa ihany koa ny maître Gildas mandritra ity fankalazana ity ka hifandona aminy, eo amin’ny sokajy 71 kg, i Mino (GISL). Anisan’ny ady hitranga ihany koa ny fifandonana eo amin’i Tsitohaina (Centre) sy i Fanomezantsoa Patrick (Eagle Team), sokajy 57 kg. Tanjona, ankoatra ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny maître Gildas, ny hikarakara ady matihanana natokana ho an’ireo mpikatroka kalaza sy avo lenta eto Madagasikara, eo amin’ny taranja Muay Thaï.

Mi.Raz

Partager sur: