Norobain’ny jiolahy ny basy: Zandary iray maty voatifitra

Zandary iray no lavo am-perinasa, omaly maraina. Nisy ny fifampitifirana tamin’ny mpitandro filaminana sy ireo olon-dratsy. Lasan’ireto farany ny fitaovam-piadiany.

Namoy ny ainy teo no ho eo, vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo, ny zandary iray am-perinasa tao Andriry, kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, omaly maraina tamin’ny 5 ora. Nangalatra omby tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo. Sahy nivantana ny mpitandro filaminana. Nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ireo dahalo. Raikitra ny fifamaliana tifitra. Voan’ny bala ny zandary iray. Tsy afa-nialana nenina intsony ity farany izay maty minitra vitsy taorian’ny fahavoazany. Lasan’ireo tsy valahara ny fitaovam-piadiana teny aminy.

Hazalambo
Nanampy isa avy hatrany, manao hazalambo ireo dahalo, ny zandarimaria miisa dimy avy ao amin’ny kaompania Bekily sy ny Tafika dimy lahy. Manao ny fanarahan-dia ireo mpangalatra omby nitondra ny basin’ilay zandary voatifitra nandositra. Miara-miasa tanteraka amin’ny fanatrarana ny nahavanon-doza ny Vondron-tobim-pileovana Anosy sy ny ZDS Mandrare. Tsiahivina, vao ny talata 6 aogositra lasa teo, zandary iray voatifitry ny da­halo teo amin’ny tendany tao amin’ny kaominina Ivohibe. Nanara-dia ireo olon-dratsy, olon-tsotra telo sy io zandary io samy naratra saingy tsy nisy nahina ny ainy. Manao ny ainy tsy ho zavatra manoloana ny asan-dahalo ireo mpitandro filaminana eny an-kianja.

Tsiferana R.

Partager sur: