Miteraka resabe, eto an-toerana hatrany ivelan’i Madagasikara, ny mahakasika ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa fotoana maharitraritra izy izay tsy hita popoka. Tsy nandrenesam-peo, tsy hita miasa eny an-kianja. Tsy hay mazava ny zava-misy marina kanefa Antananarivo, fitaratry ny firenena, no resaka eto.
Raha ny honohono dia maro tokoa ny momba azy. Mahoraka ny tsy fahasalamana. Voalaza fa mitety firenena mihitsy izy manaraka fitsaboana. Tsy misy vaovao mazava sy ofisialy avy amin’ny tomponandraikitra. Kobonina ny zava-misy marina kanefa mendrika ny hahalala vaovao ny mponin’Antananarivo, izay mila lamina goavana manoloana ny zava-misy eto an-toerana.
Malemy izy e! Moana e! Marenina e! Nisy namosavy e! Santionany amin’ny feo miely, indrindra amin’ny tambajotran-tserasera, izany. Nisy nitolaka fa nanao voady nakana fahefana ka tsy nahatanteraka ny vava nataony izy. Vokany, tsy afa-bela ary tsy ho sitrana intsony raha tsy manao ady gasy, miverina an-tanindrazana, hoy indray ny sasany? Vanimpotoana tsy tokony hanaovana resaka an-jorony tahaka izany intsony izao.
Mifanindran-dalana amin’izay ny honohono hafa, milaza fa nanodinkondim-bola ny PDS ka nandeha nitsoaka sa nalefa nitsoaka? Antony, tsy hilazana ny marina momba azy izany. Manahirana ary ilana fanamarinana avokoa ny vaovao momba azy. Azo atao tsara ny mikaroka sy manamarina izany saingy miandry ny fahatsapan-tenan’ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina, ny mpiara-miasa aminy, ny Malagasy mba tsy hihinana am-bolony.
Hiditra anatin’ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna rahateo isika. Misy lanjany amin’ny fitoniana politikan’i Madagasikara ny fivoaran’ny toe-javamisy eto Antananarivo. Tsy tokony hisy ny sambo milentika fa ny honohono tsy maha mpihavana.
r.r