“Narafitra sy nodinihina teo anivon’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny janoary 2024 ny PGE. Tamin’ny febroary 2024 no nanolorana teo anivon’ny filankevitry ny governemanta ny fandaharanasa fanatanterahana izany”, hoy ny fanazavan’ny Praiminisitra Ntsay Christian nanolorana ny fandaharanasa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) tamin’ny Antenimierandoholona, Anosikely, omaly. Ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana, jona 2024, no nametraka ireo andry telo lehibe amin’izay PGE hotanterahina. “Midika izany fa tsy zava-baovao amintsika ny fandaharanasa fanatanterahana ny PGE, fa efa nentina teo anoloanareo tamin’ny volana febroary 2024”, hoy izy. Nisy ny fifidianana depiote tamin’ny mey. Rariny ireo voafidy raha ampahafantarina an’izay fandaharanasa fanatanterahana ny PGE izay. Notsiahiviny ireo andry telo lehibe fanatanterahana ny PGE: ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena, ny fahaiza-mitantana.
“Noresahina ny olana politika amina firenena iray. Maro ny firenena aty Afrika misy hoe fanonganam-panjakana. Ny mahafinaritra, tsy araka izay lazain’ny sasany hoe mikorontana sy tsy manara-dalàna i Madagasikara”, hoy kosa ny filohan’ny Antenimierampirenena, ny Jly Ravalomanana Richard, nitatitra ny fivoriana parlemantera iraisam-pirenena tany ivelany. Tsy nisy resaka an’izany momba an’i Madagasikara tany Maurice, Maroc, Cameroun, Canada. Mizotra ara-dalàna ny demokrasia eto Madagasikara. Toy izany koa ny fifidianana filohan’ny Repoblika sy ny fifidianana depiote fa tsy misy olana.
R. Nd.