Tao anatin’ny fito volana: miisa 126 422 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara

Miha mahazo aina ny sehatry ny fizahantany eto amintsika. Tao anatin’ny fito volana voalohan’ny taona, mahatratra 126 422 ny mpizahatany tonga teto, araka ny antotanisa avy amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Niakatra ny isa raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay 111 105, saingy mbola samy ambany raha oharina ny tamin’ny taona 2019 izay nahazoana hatrany amin’ny 143 451. Nilaza ny Confédération du tourisme de Madagascar (CTM) fa mbola betsaka ny ezaka tokony hatao na niakatra ny antotanisan’ny mpizahatany mitsidika ny Nosy malagasy. Mila ampitomboina, hoy izy, ny sidina anatiny. Mila fanamboarana haingana ihany koa ny lalampirenena sy ireo lalana mampitohy ireo toerana mahasarika mpizahatany. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra ao anatin’ny fizahantany.
Marihina fa mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarena ity sehatra ity. Mampidi-bola amin’ny kitapombolam-panjakana izy no sady mamelona mpandraharaha isan-karazany. Ankoatra izay, hanao sidina inefatra isan-kerinandro, hanomboka ny 3 septambra izao, ihany koa ny Emirates Airlines. Tsiahivina fa tanjona apetraky ny fanjakana ny hanatratra 1 000 000 mpizahatany amin’ny taona 2028.

Henintsoa H.

Partager sur: