Ny tolakandron’ny omaly vao nifarana ny « Festival Sômaroho”. Iny efa mahazatra ny mponin’i Nosy Be ihany, saingy ny nampiavaka azy tamin’ity, navelan’i Wawa ho an’i Fandrama indray izany. Tarika marobe no nifandimby an-tsehatra tao amin’ny kianjan’Ambodivoanio, nandritra ny efatra alina nisesy.
Nikatona ny alahady teo ihany koa ny
“Festival Sobahya”, tany Katsepy. Telo andro nampiakarana avo ny kolontsaina any an-toerana, indrindra ny mahakasika ny lamba sy ny fitafy. Teo ihany koa anefa ny fampisehoana izay notontosain’ireo mpanakanto, toa an’i Jean Aimé sy Marolahy, ankoatra ireo vahiny avy atsy Mayottes. Maro ireo mpizahatany, vahiny sy malagasy, tonga tany an-toerana.
Nisokatra nanomboka omaly hatramin’ny 20 aogositra 2024, eny amin’ny AFT Andavamamba, ny « Salon des jeux de société », andiany faha-29. Hetsika ampahafantarana ireo kilalaon-tsaina samihafa, anisan’izany ireo vao niforona taty aorina sy ny vita malagasy. Anisan’izany ny kilalao Trimobe, Tsimok’arret, Mada Memory….
Andrasana ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny nofo mangatsiakan’i Simon Randria. Ho valin’ny fangatahan’ireo mpanakanto namany sy ny fianakaviana, tamin’ny fanjakana izany. Hisy ny fiaretan-tory tarihin’ireo mpanakanto, anio alina, ka rahampitso no hiala ao ary hoentina eny amin’ ny Ekar saint François Xavier Antanimena, mialoha ny handevenana azy eny Ambodiafontsy Ampitatafika.