Tratra ny tanjona ho an’ny famokaram-barin’ny tetikasa Papriz manerana ireo faritra 23 iasany. Nisy ny atrikasa natao teny Ivandry niarahana tamin’ ireo mpandrindra isam-paritry ny tetikasa sy ireo talem-paritra 23 manerana ny Nosy. Nanao jery todika ny asa vita nandritra ny taona 2024 ireo mpandray anjara sady namolavola fomba fiasa hanapariahana ireo teknika Papriz eo anivon’ny faritra 23 izay hiaraha-miasa amin’ ireo mpiara-miombon’antoka sy tetikasa hafa. Ankoatra izay, nalamina ireo asa iarahana amin’ireo valatahaka miisa 5 ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, Analamanga, Boeny, Itasy ary Bongolava.
Tanjona ny hampakarana ny voka-bary ho 5 taonina/ha, isan-taona, eo amin’ireo faritra iasan’ny tetikasa.
Marihina fa miara-miombon’antoka sy manatanteraka ny tetikasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana.
Henintsoa H.