Tanterahina ny 22 aogositra 2024, eny amin’ny trano fivarotam-boky Il était une fois Ankorondrano, ny fampahafantarana ny boky « Feux, Fièvres, Forets », nosoratan’i Marie Ranjanoro. Fiaraha-miasa eo amin’ity trano fivarotam-boky ity sy i Marie Ranjanoro no nanaovana izao hetsika izao. Tanjona ny hampahafantatra misimisy kokoa ny boky amin’ny mpankafy vaky boky, indrindra ny ankizy sy tanora malagasy.
Tantara mitondra ny mpamaky azy ho any amin’ny tontolo niainan’ny Malagasy nandritra ny tolom-panafahana, ny taona 1947, izy ity. I Ivo sy Voara, izay hiteraka an’i Telonono, ny an’i Pierre Gallois d’Haurousse, tanora frantsay tao anatin’ny Tafika Frantsay, anisan’ny mpampihavana, nandritra iny hetsika lehibe teto Madagasikara iny, no resahina ao anatin’ny tantara. Ankoatra ny zava-nisy izay tena mampihetsi-po tokoa. Anisan’ny mahaliana sy nambabo ny maro, indrindra ireo teratany vahiny, ny fahaizan’ny mpanoratra milalao ny fihetseham-pon’ny mpamaky, amin’ny alalan’ireo teny ampiasainy.
Lin