Navoakan’ny minisiteran’ny Atitany, afakomaly, ny didim-panjakana N° 2024-1493 miantso ny mpifidy hanatanteraka ny fifidianana kaominaly sy monisipaly amin’ny 11 desambra, hanomboka amin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva. Ny lisi-pifidianana nofaranana tamin’ny 15 mey 2024 no hampiasaina ary ny kara-pifidianana farany teo.
“Nanao ny tokony ho nataony ny fanjakana Royaume Uni. Aiza ny anjarantsika eto Madagasikara?”, hoy ny tale mpanatanteraky ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG), Randriamampianina Mialisoa, teny Andrainarivo, omaly, momba ny “Raharaha Andrianarisoa Romy Voos” amina raharaha kolikoly. Voaheloka izy ary tsy foana ny sazy.
Tonga nanao veloma ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny masoivohon’i Royaume-Uni, David Ashley, izay mamarana ny fe-potoam-piasany eto Madagasikara. Nisy ny jery todiky ny fiaraha-miasa sy ireo teboka hanatsarana hatrany ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta, nandritra ny fihaonana.
Anisan’ireo filoham-panjakana hiatrika ny fihaonana an-tampony faha-44, any Harare Zimbabwe, ny faran’ny herinandro izao, ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Ireo filoham-panjakana na lehibena governemanta ao anatin’ny Sadc no mandray anjara amin’ity fihaonana an-tampony ity. Anisan’ny teboka ho dinihina mandritra ny fihaonana ny mahakasika ny olan’ny toetr’andro, izay hahazoan’i Madagasikara tombony.