« Festival de la Cinéma de Madrid »: ahitana horonantsary malagasy mifaninana

Taratry ny fahaizan’ny Malagasy ny tontolon’ny horonantsary izao maha voafantina hiatrika hetsika iraisam-pire­nena izao. Ity sehatra ity izay mitranga hatrany noho ny fampiroboroboana azy, tontosaina eto an-toerana.

Anisan’ireo horonantsary fanadihadiana, handray anjara amin’ny « Festi­val de la Cinéma de Madrid », andiany faha-33, hatao any Madrid Espagne, ny 12 hatramin’ny 20 septambra 2024, ny « Fanantenana: Musique pour l’espoir ». Ao amin’ny so­kajy « Long métrage », mihoatra ny 60 minitra no misy azy, Ny 19 septambra 2024 ity horonantsary fanadihadiana ity no handeha, ao amin’ny efirano fijerena sarimihetsika Berlanga, Madrid. Ny votoa­tin’ity horonantsary fanadihadiana ity, izay manasongadina ny maha izy ny mozika no anisan’ny nahavoafantina azy amin’izao hetsika lehibe izao.
Horonantsary fanadiha­diana maneho ny zava-misy sy ny iainan’ny ankizy eto Ma­dagasikara ny « Fanante­nana : Musique pout l’espoir ». Ao anatin’izany ihany koa no anasongadinana ny maha izy ny fanabeazana sy fitaizana amin’ny alalan’ny zavakanto, indrindra ny mozika. Ny Fon­dation Agua de Coco no na­mokatra sy nanatontosa azy.
I Jairo Zayala (Depedro) sy Kilema Randrianatoandro (Y Kilema) kosa no mpandray anjara fototra ao anatiny. An­koatra ny fandraisana anjara amin’ny « Festival de la Ci­néma de Madrid », hisy ihany koa ny hetsika ara-javakanto hataon’i Depedro sy Y Kilema, ao Madrid sy Granada ary Valencia, ny volana oktobra sy novambra ho avy izao.
Hetsika eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika anisan’ny sangany ao Espagne, ny « Festival de la Cinéma de Madrid ». Ny taona 1991 no niatombohany. Ankoatra ny fanasongadinana ny tontolon’ ny horonantsary ao Espagne, fototra nijoroany ny fanomezana sehatra ireo horonantsary isan-karazany vao misandratra. Amin’ity andiany faha-33 ity, horonantsary miisa 80, mizara sokajy dimy, no hifaninana handrombaka ny am­boara, isaky ny sokajiny avy.

Lin

Partager sur: