Mpiray ombon’antoka amin’i Madagasikara amin’ny sehatra maro i Chine. Miavaka anatin’izany ny lafiny toekarena, indrindra ny ara-barotra .
Niompana tamin’ny fiaraha-miasan’ny firenena sinoa sy malagasy amin’ny lafiny toekarena sy ny fivoaran’izany ny fifampizarana nandritra ny “Salon des médias” andiany fahafito, teny Ivato, omaly. Nandray anjara tamin’ny fivoriana momba ny fitantanan-draharaha tany Chine, ny 18-31 jolay lasa teo, ny tomponandraikitra ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny eo anivon’ny primatiora ary nanao ny tatitry ny fitsidihana. Nisy ny velakevitra momba ny teknikan’ny fitantanana amin’ny ankapobeny sy ny paikadin’ny fampandrosoana an’i Chine. Navoitra, nandritra ny fizarana nataon’ny tomponandraikitra sinoa, ny fampirindrana ny fahaiza-manao nentim-paharazana sy ny fivoarana miaraka amin’ny teknolojia vaovao. Manana orinasa matanjaka izy ireo nefa manaja ny tontolo iainana. Mahatsapa ireo tomponandraikitra malagasy nanatrika ny fizarana fa misy ny lesona azo ampiharina amin’ny fitantanana tetikasa eto Madagasikara avy amin’ny zava-misy notsidihina nandritra ny tapa-bolana. Naneho ny fahavononany hiara-miasa amin’ ny fanjakana malagasy, hampiasa vola eto rahateo, ireo tompona orinasa sinoa.
Nanamafy izay fahavononana izay ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny EDBM, Rafidy Josielle, fa nanomboka ny taona 2021 ka hatramin’ny taona 2023, nahatratra 248 ny orinasa sinoa mampiasa vola eto Madagasikara. Misehatra amin’ny varotra sy fitrandrahana vato ny ankamaroany. “Firenena fahadimy fanondranan’i Madagasikara entana rahateo i Chine. 14% amin’ny vokatra aondrana dia mandeha any avokoa, raha ny 21,5% ny fanafarantsika no avy any an-toerana”, hoy ihany ity tomponandraikitra ity. Hotanterahina any Beijing ny 4 ka hatramin’ny 6 septambra ho avy izao ny fivoriana momba ny fiaraha-miasan’i Chine sy i Afrika.
Vonjy