Mitohy ny fampiofanana fiompiana trondro, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), manerana ny faritra maro. Tsy mijanona ho tantsaha intsony, fa ahitana sokajin’olona samihafa.
Miisa 21 ny mpisitraka fiofanana momba ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary ary an-tanàna ivelany (hors sol) any amin’ny kaominina Ambatosoratra, distrika Ambatondrazaka, ny 3 aogositra teo. Nahatratra 18 mianadahy ny mpianatra manaraka ny taranja Siansa an-dranomasina (Sciences marines) ao amin’ny Oniversite Antsiranana, niofana ny fiompiana trondro an-dobo ny 2 aogositra. Ankoatra ny fampianarana anaty trano, hisy ny fidinana ifotony any amin’ny toerana fiompiana, ahitan’izy ireo maso ny fahalalana norantovina.
Miisa 56 ny nanatrika ny fiofanana fiompiana trondro an-dranomamy, andiany faharoa, tany Mampikony, ny 3 aogositra teo. Nahitana sokajin’olona samihafa, toy ny mpampianatra (19), dokotera (2), mpandraharaha amin’ny fonja (5), mpiasan’ny Jirama (5). Saika efa manana dobo avokoa izy ireo, saingy tena ilainy ny fanamafisana sy fanatsarana ny fahalalana. Nisy, araka izany, ny fitsidihana ny dobo vitsivitsy natao fampiharana.
Lalàna, fanodinam-bokatra,…
Tany Amoron’i Mania, miisa valo ny fikambanana tantsaha (OP) nahazo tohana avy amin’ny Tahirimbola fampandrosoana ny eny ambanivohitra (FDA) nahazo kojakojam-pamokarana. Miisa 146 ny mpiofana mahakasika ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary, ny 22 jolay hatramin’ny 6 aogositra, avy amin’ny famatsiambola Fandroso. Mbola hitohy any amin’ny toeran-kafa ity fanofanana ny OP ity.
Niofana mahakasika ny lalàna mifehy ny jono, ny aro loza an-dranomasina ary ny fanodinam-bokatra, toy ny fanamboarana trondro asaly, ny teknisiana miisa 13 ao amin’ny tetikasa Card miasa ao amin’ny kaominina Sandravinany, distrika Vaingaindrano, ny 5 sy 6 aogositra teo.
Njaka Andriantefiarinesy