Natao omaly, teny amin’ny foiben’ny Giz Soanala Ambatobe, ny atrikasa andiany faharoa, mahakasika ny fanabeazana mifandray amin’ny tontolo iainana. Manodidina ny 30 ny mpandray anjara, nahitana ny mpisehatra samihafa amin’ny tontolo iainana, teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Tanjona ny hampipaka ny fanabeazana any amin’ny olom-pirenena tsirairay, mba hiteraka fiovam-pihetsika ara-tontolo iainana.
Nampahafantarina ny rafitra sy ny paikady mahasahana ny fanabeazana ara-tontolo iainana. Toy ny lalàna mifehy azy, ny politikam-pirenena, ny paikadim-pirenena, ny tanjona stratejika, ny drafitrasa ho entina hanatanterahana ny fandaharanasa, sns.
Nofaritana nandritra ny atrikasa ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana. Hita fa voakasika daholo ny rehetra ka samy manana ny andraikitra tandrify azy avy. Miainga ny ao anivon’ny rafi-panjakana, ny fiarahamonim-pirenena, ny tsy miankina. Eo koa ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF).
Njaka A.