Fitetezam-paritra 2025: mitady mpanakanto ny Alliance française

Hatramin’izao, mbola mandray anjara goavana amin’ny fampivelarana sy fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny zavakanto any amin’ireo firenena misy azy ny Alliance française. Iray amin’ireny ny eto Madagasikara...

Manomana sahady ny taom-pampisehoana 2025 ny tambajotran’ ny Alliance française eto Mada­gasikara. Toy ny isan-taona, hisy indray amin’ity ny fihai­kana ireo mpanakanto, maniry handray anjara amin’ny “Fite­tezam-paritra 2025”, manerana ny masoivohon’ny Alliance française. Miantefa amin’ireo mpanakanto mandeha irery na anaty tarika izany, ary misandrahaka amina karazan-kanto marolafy.
Mozika, dihy, slam, cirque, hosodoko, sokitra, sary, sns, tsy hanavahana ny seha-javakanto fa raisina avokoa ireo tetikasa mahafeno ny fepetra. Mazava loatra fa ho an’ireo mpanakanto teratany mala­gasy, indrindra ireo an-dalana hikatsaka ny laza izy ity. Tsy fanomezana sehatra hanombohana fotsiny mantsy fa fa­nokafana ny lalana eo amin’ny tsenan’ny zavakanto koa ny fitetezam-paritra toa izao.

Kolontsaina mivelatra

Ny fampiroboroboana ny fahasamihafana ara-kolon­tsaina no tena tanjon’ny tambajotran’ny Alliance française, ka manohana izany ny masoivohon’i Frantsa eto Madaga­sikara. Maro ireo mpanakanto amin’ny sehatra samihafa no efa nisitraka izany, nandritra ireo andiany teo aloha. Tao­rian’ny fitetezam-paritra, nisy ihany koa ireo nisitraka fivoahana tany ivelany, toy ny fandraisana anjara tamina “festival” tany Frantsa, ohatra.
Entanina, araka izany, ireo mpanakanto liana mba hanatona ireo masoivohon’ny Al­liance française miisa 30 ma­nerana ny Nosy. Manana ha­tramin’ny 1 septambra ireo hisoratra anarana. Marihina anefa fa misy ny masontsi­vana takina, ka izay tena ma­hafeno ny fepetra no hosafidian’ny komity farany.
Mitana anjara toerana
lehibe eo amin’ny fampivela­rana ny kolontsaina sy ny zava­kanto malagasy ny Alliance française. Maro ireo mpanakanto no namolavola ny talentany tao anivon’izany foibe izany. Raha tsiahivina, anisan’ ny toerana ahitana fampianarana momba ny zavakanto sy kolontsaina marolafy ny Al­liance française izay miorina maneran-tany.

Zo ny Aina

Partager sur: