INDRAY MIJERY

Tontosa ny famelabelarana ny Fandaharanasa fanohanana ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana (PADSSR) nokarakarain’ny fikambanana “Mouvement malagasy pour le planning familial” (MMPF) natao tao amin’ny Cisco Miarinarivo, Antananarivo Avaradrano, Ambositra, Antsirabe, ny herinandro lasa teo. Nampahafantarina, tamin’izany, ny tanjona, ny sehatra hiasany ary ny hisitraka izany ho an’ny fanabeazana maha olona sy ara-pananahana .
Ny fandalovana rindrin-drahona ao atsimon’i Madagasikara no handrafitra ny toetry ny andro ao anatin’ny telo andro ho avy. Hanjaka ny zavona ny maraina amin’ny faritry ny afovoantany. Hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana sy atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy noho ny alondrano avy atsimo andrefana.
Nanomboka ny 12 aogositra hatramin’ny anio, any Antsirabe, ny zaikaben’ny Fivami. Nomarihina tamin’ny alalan’ny hetsika samihafa, toy ny famorana faobe, fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza. Nisy koa ny fizahana ny fo, indrindra ho an’ireo zaza mila fanaraha-maso. Fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy sy ny Fahasalamam-bahoaka ary ireo mpiara-miombon’antoka no nahafahana nanao izany.
Zavamaniry fanao fanafody. Hifarana anio, eny amin’ny Panorama Andrainarivo, ny atrikasa fampahafantarana ny vokatry ny asa nataon’ny ONG Traffic. Miompana amin’ny fanatsarana ny fahalalana ny seha-pihariana zavamaniry fanao fanafody izy io. Tanjona ny hampiroborobo ny fitrandrahana sy fivavarotana maharitra, ary ara-drariny, ny zavamaniry fanao fanafody eto Madagasikara.

Partager sur: