Miandry andro

 

Efa mihetsiketsika ny zaza ao e! Raha ny fantatra, omaly no efa nanomboka ny fijeren’ny praiminisitra ny mahakasika izay olona handrafitra ny governemantany. Mbola nisy ny fandraisana ny antontan-taratasy faramparany ho an’izay vonona, teny Mahazoarivo. Manana eo amin’ny 48 hatamin’ny 96 ora ny lehiben’ny governemanta handefasana izay mahafeno fepetra sy andriandrianin’ny fony any amin’ny filohan’ny Repoblika. Aorian’izay ny adina am-bava farany.
Hatreto aloha tsy kisarisary araka ny feo miely, fa manaraka ny lamina mahazatra ny zotra handehanan’ny antontan-taratasy. Manaraka ny fepetra takin’ny fandraisana ny mpiasam-panjakana ambony izany. Tsy ny avy eo anivon’ny primatiora ihany no nisafidianana akory. Nisy ny avy amin’ny birao politika sy ny mpiara-miombon’antoka politika. Ireto farany izay tena tompom-pahefana koa. Mpisehatra fototra tamin’ny fampandaniana ny filoha izy ireny ka tsy azo atao rano dikain’ny zinga.
Raha tsy misy ny sampona, ho teraka ny faran’ny herinandro izao ny governemanta ho asiam-panamboarana. Ny azo antoka, tsy hoe nesorina avokoa ny olona mandrafitra azy ao. Mety ho ilay mameno ny banga fotsiny aza, ny marimarina kokoa. Raha misy ny fanavaozana dia mety ireo, ho minisitra lefitra na sekreteram-panjakana tsy mety teraka no hipotsaka avy any an-kibon-dreniny.
Raha ny lojika, tsy tokony mbola hiova na hoesorina mihitsy ny minisitra am-perinasa. Tena tsy ampy niasana kosa ny valo volana. Tsy mahafeno fepetra handrefesana sy hanaovana ny tombana izany. Ny telo volana voalohany, lany tamin’ny fitokanana ny zava-bitan’ny teo aloha, mba ho fanohizana ny raharaham-panjakana. Ny ambiny, takon’ny fifidianana avy eo nametra-pialana dia miandraikitra fampandehanan-draharaha.
Samia miandry am-pitoniana!

r.r

Partager sur: