Mitaky fitandremana : maro ny mandiso tantara

Manomboka liana ny Mala­gasy! Tao anatin’ny dimy taona, nitombo sy nivelatra be ny sehatra ahafahana milaza hevitra sy maneho momba ny tantara. Nitombo nanaraka izany ihany koa ny isan’ireo mpampahafantatra (mpika­roka, mpampianatra, olona tsotra, mpahay tantara…) tantara.
Tranga mitaky fitandremana fatratra, satria, mety hitarika any amin’ny fahadisoana goavana any aoriana. Raha ny tantara no diso na niova, very fototra iray anisan’ny goavana indrindra ny firenena iray manontolo. Manampy trotraka, raha ho an’i Madagasikara manokana. Mbola ny fikaro­hana nataon’ny vahiny ihany hatramin’izao no mahazo lanja any amina sehatra maro.
Tsy azo hadinoina anefa fa nanana tombontsoa lehibe narovana sy mbola harovana, hatramin’izao, ny vahiny. Noho izany, sady tsy azo iantehe­rana ho fototra, no tsy azo an­toka hiaingana ny voka-pikarohana napetrany na izay mbola hapetrany… Ny tantara, anefa, tsy maintsy mitohy, noho izany, mila mitandrina ny tsirairay !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: