Naiditra am-ponja: jiolahy efatra nanolana mpianaka

Natolotra ny fampanoavana, omaly, notanana vonjimaika any am-ponja avokoa ireo efa-dahy nanolana sady nandroba mpandraharaha iray sy ny zanany. Tratra teny Ankadikely Ilafy sy 67 Ha ireo olon-dratsy.

Vaosambotry ny polisim-pirenena avy eo amin’ ny sampana heloka bevava sakelika voalohany (BC1), ny olon-dratsy efatra mirahalahy, tompon’antoka tamin’ny fanolanana niaro fandrobana, ny 10 aogositra teo. Naharay fampahafantarana ny mpitandro filaminana fa tsy hita ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany nanomboka ny 7 aogositra teo. Mivelona amin’ny asa fandraharahana io ramatoa io izay nanangom-bokatra tany Farafangana. Nifanao fotoana tamin’ny olona tao anatin’ny tamba­jotran-tserasera izy fa hisy hividy ny kafe milanja 6 tao­nina. Ireo efa-dahy no voalaza haka io entana io. Nifanao fo­toana momba ny fifanaraham-barotra teny Ikianja, kaomi­nina Ambohimangakely, izy ireo. Tsy hita intsony io ramatoa io sy ny zanany taorian’ izay. Nifampitadiavan’ny fianakaviany izy mianaka.

Nopoizinina

Nikaroka ny polisy. Fanta­tra avokoa ny toerana nisy ireo olona voasaringotra. Natao ny vela-pandrika ka voasambotra teny Ankadikely Ilafy sy teny amin’ny faritry 67 Ha ireo efa-dahy. Nomen’ireto farany poizina tamin’ny alalan’ny sakafo ilay ramatoa. Nanamparan’izy ireo ny filan-dratsiny io renim-pianakaviana io sy ny zanany. Voaroba avokoa ny kafe sy ny finday roa taorian’izay, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Lafon’ ireo tsy valahara 55 tapitrisa Ar teny amin’ny tsenan’Andra­voa­hangy sy Andohatape­naka ny kafe rehetra.

Tsiferana R.

Partager sur: