Rugby : Zarasoa, Malagasy milalao ao amin’ny XV de France

Mandalo eto an-tanindrazana i Zarasoa (Zarah), ilay tovovavy malagasy milalao rugby, mandrafitra ny XV de France. Nohararaotina ny fahitana azy, ka nitantarany ny fiainany sy ny fahitany ny baolina lavalava malagasy.

Malagasy voalohany mandrafitra ny XV de France, amin’ny taranja rugby, i Macquart Zarasoa (Zarah). Mizaka zom-pirenena roa ny tovovavy satria Fran­tsay ny rainy ary Malagasy ny reniny. Mpilalaon’ny Lyon, sokajy Sénior izy ary mitana ny toeran’ny “2ème ligne”. 18 taona, mirefy 1, 78 m ary mi­lanja 85 kg.
Teo amin’ny faha-6 tao­nany izy no nanomboka nilalao rugby, tao amin’ny St Denis La Réunion. Nifindra tany Frantsa ka nanao fitsapana maro tany an-toerana sady nanenjika tournoi. Ny taona 2022, nilalao tao Toulouse sady niofana tao amin’ny Academie an’io ekipa io. Io taona io, voa­antso tao amin’ny XV de France U18, nanao ny “tournoi des 6 Nations”. Noho ny fahaizany, na tsy mbola ampy taona aza, nantsoina hanatevina ny XV de France U20 sy Sénior, ka nahafahany nidona tamin’i Angleterre. Tompon-toerana hatrany i Zarah, tamin’izany. Tokony mbola hiatrika lalao hafa izy saingy niato noho ny fanadinana Bacc.
Na any am-pita aza izy, ma­haraka ny lalao hataon’ny Makis. “Kely vatana ny Mala­gasy na vavy na lahy raha mitaha amin’ ny mpilalao salantsalany any Frantsa, saingy matanjaka sy mailaka”, hoy izy. Tsy nanafina ny faniriany hanatevina ny Makis izy saingy sarotra noho izy efa nandrafitra ny XV de France.
Nolazainy fa nahavariana azy ny mahita ankizikely eny an-dalana milalao rugby ary hita fa mahafehy ilay fihetsika. Tena tia rugby ny Malagasy. Porofon’izany ny fahamaroan’ ny mpijery isan-kerinandro. Na any Frantsa aza, tsy misy ohatry ny aty. Atsy ho atsy, ho ra­kotra mpilalao rugby eto Mada­gasikara. “Raha ny fahaizana, tsy lavitra ny Malagasy ny “Mondial” saingy mila fitaovana hanatsarana ny teknika”, hoy ny namaranany ny hafany.

Torcelin

Partager sur: